Pertes blanches : midika inona ny lokony ?

NY MAHASAMY HAFA NY PERTES BLANCHES NORMALES SY NY MYCOSE VAGINALE (CANDIDOSE VULVO VAGINALE)):

👉 ny pertes rehefa misy mycose dia tena be dia be, tanteraka mihitsy ny slip. Fa fotsy ny lokony
👉mamaivay, mangidihidy, marary.
👉toy ny ronono mivadika na fromage blanc ny consistance-n’ny pertes, fa tsy fluide.
Ny vehivavy bevohoka 3 volana eo matetika voan’ny mycose. Ny olona mihinana pillules be oestrogenes, ny diabétiques, ny olona tsy mahay mifitra, ny olona tia manasa ny anaty vagin, ny akanjo tery loatra sy slips synthétiques dia mifavoriser ny mycoses.

🌵RAHA MAITSO NY LOKON’NY PERTES

sady betsaka no mamofona, dia infection vokatry ny trichomonas vaginalis izay. Lasa mena ny vulves sy ny vagin. Marary rhf mipipi. MST io. Mila miara mitsabo tena ny couple

🌵RAHA GRIS NY LOKON’NY PERTES

sady toy ny fofon-trondro lo: vaginose bactérienne : tsy MST izy fa lasa acide ilay flore vaginale, na tsy miaro tsara ny lactobacilles ao amin’ny flore vaginale. Matetika ny olona tia misikotsikotra rhf misasa sy mampiasa produits no voan »io. Plus misy RS, plus izy mirongatra satria ny sperme milieu basique.
Antony faharoa mahatonga ny vaginose bactérienne koa, dia ny caca lasa tonga any amin’ny vagin. Aza adino fa rhf mifitra dia avy any aloha mankany aoriana foana. Mora tsaboina izy, saingy mila fantatra ilay bactéries vao afaka mamaritra ny fanafody approprié.

🌵RAHA MAVO NY LOKON’NY PERTES

avy amin’ny gonocoque na koa blennoragie no mahatonga azy. MST io. Tsy dia marary izy amin’ny vehivavy, fa rhf mifindra amin’ny lehilahy izy dia marary rhf mipipi, no mavaivay be.
Ny infection avy amin’ny Chlamidiae Trachomatis koa dia mahamavo ny pertes. Mety misy râ mandeha izy. Tsy mora fantatra noho ‘ny blennorragie anefa izy noho izy tsy be signes loatra, nefa raha tsy voatsabo haingana dia mahasterile.

🌵RAHA MARRON NA MENA NY PERTES

Misy ra izy izay. Raha ivelan’ny fotoan’ny règles , ka misy râ isaky ny avy manao rapport, na efa menopause dia misy an’io, dia manatona dokotera haingana : mila jerena ny col utérin sao misy cellules cancéreuses.

Torohevitra nalaina tao aminy pejy Fb an’i Mamitina Rakotomanana

PARTAGER & LAISSER VOTRE COMMENTAIRE

Merci :)