Ahoana no ahafantarana fa bevohoka

 

Ireto misy fambara vitsivitsy ahafantarantsika vehivavy na mitoe-jaza na tsia.

Maro ireo vehivavy efa ela naniry anaka ka efa mahalala ny toe-batany. Fahataran’ny fadimbolana na ny fivontosan’ny nono ohatra dia anisan’ny fambara voalohany.

  • Azo atokisana kosa ary ve ireo, sao dia hivadika nofy fotsiny?

Ny fitondrana vohoka dia manova nyhormone-ntsika vehivavy ary io farany io dia mandefa fampilazana amin’ny vatantsika dieny aty am-boalohany. Io no antsoina amin’ny teny vahiny hoe signes « sympathiques » de grossesse.

  • Ny tsy fisian’ny fadimbolana, azo atokisana tokoa ve?

Alohan’ny fitomboan’ny kibo dia anisan’ny marika ahalalana fa bevohoka ny vehivavy raha tsy misy ny fadimbolàna. Misy anefa ireo vehivavy izay tsy mandeha rà ara-potoana fa mivadibadika, misy koa ireo tsy tonga fotoana tsotra izao ‘aménorrhée‘ izay mahatonga an’io fambara io sarotra itokisana ihany. Ao koa ireo izay mandeha rà na dia bevohoka aza, na dia tsy mitovy aza ny fikorianany.

  • Fivontosana sy fihenjananan’ny nono?

Misy fambara maro ihany koa izay mety hitranga eny amin’ny fiandohan’ny vohoka. Toy ny fibontsonan’ny nono sy ny fivontosan’ny lohanono, izay metyhiova loko ka lasa somary maintimainty kokoa. Ho an’ny vehivavy sasany dia mety hamasipasika kely ny manodidina ny lohanono. Io no antsoina amin’ny teny vahiny hoe « tubércules de Montgomery« . Matetika dia any amin’ny fiandohan’ny vohoka any mihitsy no mitranga ireo.

  • Mety hanaizana sahady ve?

Ho an’ny vehivavy sasantsasany noho ny fiovan’ny hormone dia mety efa hisy fiovana kely sahady. Matetika ohatra dia lasa tsy tia tsiron-tsakafo efa mahazatra tampoka teo ilay vehivavy, ohatra hoe tsy tia tsaramaso anefa tena mpankafy taloha. Indraindray moa dia misy olona tena tsy mahatanty mihitsy: fofon-tsigara, vinaigitra, trondro. Izay maherihery fofona rehetra izany. Ao indray ireo tsy maha-hinan-kanina firy, misalebolebo, te hihinana sakafo maivamaivana. Izany rehetra iznay dia mety fambara ihany koa.Fambara hafa mety hanaitraMaro koa ny milaza fa te handoa rehefa bevohoka, indrindra moa rehefa maraina iny. Fa tsy mitranga kosa io raha tsy any amin’ny faramparan’ny volana voalohany any. Maro tokoa ny vehivavy tratran’ity farany ity, maloiloy hoy ny maro. Matetika dia miaraka amin’ny fofona tsy zaka no mahatonga azy ireo mandoa toy izao. Tsy mahatanty fofona gasoil, vorivorin-kena, sigara, snsAnkoatr’ireo moa dia misy koa ireo vehivavy bevohoka no mitohana na somary be rivotra.

  • Reraka lava !

Mety mahagaga ihany koa sady mitranga mihitsy ny fitiavana torimaso, izay maro amin’ny vehivavy bevohoka no tratra’izy ity. Tampotampoka eo dia te hatory foana ny tontolo andro, tena mitranga moa ity farany ity ny volana voalohany hitondrana vohoka. Ny mahatonga izany dia ny fiantraikan’progestérone. Ary ankilany kosa dia mety hanakotaba ny torimaso mandritra ny alina koa izany.Raha fintinina dia azo atao fa misy fambara vitsivitsy natioraly mety ahafantarana dieny aty am-boalohany fa mety hitondra vohoka ny vehivavy iray. Tsy ny rehetra anefa no tratran’io, ary tsy ireo fambara rehetra ireo koa no mety indray miseho amin’ny vehivavy iray. Samy manana ny toe-batany ny olombelona tsirairay ka tsy afaka ny hanome fanazavana sy valim-panontaniana iray isika. Ny tena tsara dia ny manantona tobi-pahasalamana ary mangataka fizahana amin’ny dokotera.

 

15-semaines-de-grossesse

 

Torohevitra avy aminy Mme Felana Nirina Yvonne
Afaka manjifa ny boky novokariny ihany koa ianao
Misy karazany 3 :
1-TOROHEVITRA MOMBAN’NY FAHASALAMAKO SY NY ANKOHONAKO
2-TOROHEVITRA MAHASOA MOMBAN’NY RENY SY NY ZAZA
3-BOKY FIANARANA KABARY
TOROHEVITRA MOMBA NY FAHASALAMANA