Ny soa azo avy aminy Ranom-bary

Aoka tsy ho arina intsony ny ranom-bary manomboka anio fa betsaka ny soa azo avy aminy

anisan’izany ireto ho voatanisa eto ambany ireto :
MAHASALAMA HODITRA

  • Manadio hoditra
  • Misoroka mony
  • Manala ny « eczema »
  • Manasitra ny hoditra may ny masoandro

Mety aminy karazana hoditra rehetra na koa hoditra efa be mony sy misy takopery
Asio aminy landihazo na lamba kely avy eo osory amin’iny ny hoditrao
Avelao ho mainan’ny rivotra eo fa aza fafana aminy serviette
Raha ataonao isan’andro izay dia ahita vokatra ianao

MAMPANGIRANA VOLO

Afaka « apres shampooing  » ampianao huile essentielle de Romarin , na lavande na geranium
Avela hilona mandritra ny 10 minitra eo vao kobanina.
Somary orina kely ny hodi-doha ny tena fanaovana azy

 

LAISSER VOTRE COMMENTAIRE