Fadio ny mandona kilaoty aminy vovontsavony

 

Ny slipo sy ny soutien dia tena saropady tokoa eny na ny ba kiraro koa aza

Betsaka ny olona no mandona ny slipo na ba kiraro na soutien ao anaty koveta kely ao aminy douche rehefa misasa
ka rehefa miangona betsaka vao sasana.
Tsy mahasalama anefa izany ary mora maimbo ihany koa ny vovontsavony rehefa milona ela loatra

ary sarotra alana na tsy afaka mihintsy aza ny fofona

Ny kilaoty hanaovana ihany koa dia tsaratsara raha coton , raha toa moa ka mba manara damaody
hanao dentelle dia jereo fa tokony ho coton ilay lamba kely triangle mipetaka aminy hoditra.
Ny coton tsinona dia mapiaina kokoa ny hoditra ka mamela ny rivotra hivezivezy moa rehefa mafana
Mora maimbo ny slipo sy soutien vita aminy akora hafa toy ny dentelle na polyestere
Faritra tena saropady aminy fofona tokoa ny helika sy ny helakelam-pé koa noho izany dia mila
fahadiovana sy fitandrovana be.

Tsara ihany koa raha mampiasa protège slip satria sady miaro ny hoditrao no afaka soloina foana vao misy loto kely

827893

Ny tsara koa dia ianao tompony ihany no manasa ny slip sy soutien ary ba kiraro

Tsy mampiasa vovontsavony fa savony Nosy dia efa mety
Ary tena kobanina tsara fa tsy azo avela misy ambona ranotsavony satria tonga dia miditra any aminy masokoditra
vao mandon’ny hatsebohana

Tsara kokoa raha havaozina isaky ny 6 bolana ny slipo sy soutien

Mba hampamanimanitra azy indray dia afaka asinao ranomanitra kely in-dray mitsifitra ny mouchoir na lamba kely
dia ataonao ao anatin’ny fitoerana slipo sy soutien ary hidinao tsara
Aza atao manitra loatra anefa fa in-dray mitsifotra ihany dia ampy .

lot-de-3-culottes-coton-les-pockets-de-dim-blancrose-fille-adolescente-vl322_1_zc1

 

PARTAGER & LAISSER VOTRE COMMENTAIRE

Merci :)